Nampahafantatra tetsy amin’ny birao fiasany etsy Ankadifotsy omaly ny mpisolovava Willy Razafinjatovo na Olala sy ny mpisolovava Jacques Randriambololona,
mpiara-miasa aminy fa mahagaga azy ireo olona narovan’izy ireo tamin’ny 8 aogositra 2016 dia izao vao henony fa nogadraina. Raha tsiahivina, ny Ben’ny tanànan’Ambohimahamasina, Tsabo Pierre, nogadraina dia anisan’ny loharano nampahafantatra fa nahiana ny fanodinkodinana tanim-panjakana tao an-toerana tamin’izany fotoana. Heno tamin’io Ben’ny tanàna io fa efa azo ny vola mitentina 380 tapitrisa Ariary kanefa ny asa tokony ho natao tsy vita. Raha tsaroantsika, anisan’ny tany azon’i Claudine Razaimamonjy ity. Mazava ny voambara ao amin’ny didy famaizana andininy faha-266, andalana faha-4 fa tsy tokony hogadraina ny olona nahazoam-baovao marina satria fantatra fa tsy nisy fikasana ratsy tao aminy. Mahagaga koa fa ilay olona nanao fanambarana tamin’ny France Inter tamin’izany hanaporofo afaka roa andro tsy naninona kanefa hatramin’izao tsy mbola heno izay porofo nentiny manamarina fa tsy tafiditra tanatin’io raharaha io izy. Mitaky ny hamoahana io Ben’ny tanàna io izahay, hoy ny Maitre Willy Razafinjatovo ary vonona ny hiaro azy na tsy karamaina aza.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.