alefa eny amin'ny fonjaben'i Tsiafahy ireo zandary miisa telo avy ao amin'ny GSIS voarohirohy tamin'ilay raharaha fakana an-keriny tany Toamasina. Ny sabotsy teo no niakatra fampanoavana tetsy amin'ny fitsarana Anosy ny raharaha.
Raha tsiahivina, nisy ny fanafihina sy fakana an-keriny mpandraharaha eo amin'ny sehatry ny jirofo ny alin'ny alakamisy 5 febroary lasa teo tany Toamasina ka vola be mitentina 140 tapitrisa ariary no very tamin'izany ary ireto zandary avy ao amin'ny GSIS sady mpiambina olona ambony teto amin'ny firenena ireto no tena tompomarika mivantana. Nisy anefa ny fisavana ka tratran'ny polisin'ny SAG sy UIR tao Moramanga izy ireo.
Halatra sy fakana an-keriny
Mavesatra tokoa ny fiampangana nomen'ny sojaben'ny mpitsara ireto voarohirohy ireto satria dia voapanga ho mpanangana fikambanan-jiolahy miampy halatra sy fakana an-keriny mitam-piadiana izy ireo, eo ihany koa ny vesatra momba ny fitazonana tsy nahazoana alalana fitaovam-piadiana ary ny fanaovana iraka an-tsokosoko. Ankoatra azy telo ireto dia nisy ihany koa olona hafa tafiditra ao anatin'ny raharaha ka anisan'izany ny mpamily ny fiara nitondra azy ireo. Voapanga ho mpiray tsikombakomba amin'izy ireo ihany koa ilay zandary lietnà miasa ao Toamasina. Nalefa eny Antanimora kosa ireo teratany karana miisa telo mpividy ny halatra sy malagasy roa izay voalaza fa mpisoloky saingy lasibatr'ireo GSIS. Olona roa hafa kosa no nahazo fahafahana vonjimaika izay voalaza fa akaikin'ny mpanolotsain'ny praiminisitra teo aloha. Naharitra ora efatra ny fitsarana ny raharaha ny sabotsy teo teny Anosy ary hiditra amin'ny fanadihadiana ifotony kosa ireo voapanga amin'ity herinandro ity.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.