Vita ny zoma teo ny famindrana ny samboady teo amin’ny governora teo aloha ny Inner Wheel International Anne Yvonne Said sy ny vaovao Nicolas Teichert izay hitantana ny fikambanana io ao anatin’ny iray taona manaraka.
Toy ny isan-taona dia misolo hatrany ny mpitantana ny fikambanana ary tamin’ny taona 2013-2014 dia ny governora avy eto Madagasikara no nitondra ny fikambanana ary izao lasan-dry zareo Renioney izao indray ny fitantanana azy io mandritra ny fe-potoana voarakitra. Laharana faha 23 no misy an’io governora vaovao io amin’ireo efa nitantana ny fikambanana taorian’ny nijoroany izay. Araka izany dia nifarana ny zoma teo ny fihaonambe ireo mambran’ny Inner Wheel International distrika 920 aty amin’ny ranomasimbe Indiana natao tao Mahajanga ka toerana hafa indray no handray ny fihaonambe amin’ny taon-dasa. Raha ny fantatra dia efa feno 90 taona no nijoroan’ny fikambanana maneran-tany raha efa feno folo taona kosa ny ao Mahajanga.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.