Actualités

Natahotra miaramila Naleon’ilay dahalo namono tena


  • Alarobia 30 Aprily 2014


 Jiolahy efa nokarohina nandritra ny fotoana naharitra tany amin’ny Kaominina ambanivohitra Ilafy no sarona tamin’ny faran’ny herinandro teo. Roalahy izy ireo no voasambotra taorian’ny vela-pandrika nataon’ny mpitandro ny filaminana. Vao nahatazana ny miaramila hisambotra azy anefa ny iray tamin’ireo jiolahy dia nilefa sy nitsoraka tany anaty hantsana ka namoy ny ainy vokatry ny ratra nahazo azy. Nambaran’ny mpitandro ny filaminana fa mbola mitohy ny fikarohana ireo mpiray tendro amin’ireto dahalo ireto. Kaominina somary manalavitra ny renivohitry ny Distrikan’Ambatondrazaka ny Kaominina Ilafy ka manararaotra manao ny asa ratsiny ireo jiolahy rehefa fantany fa tsy misy mpitandro ny filaminana ao an-tanàna.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT