Kaomorianina niady toerana tao anaty taksibe no nanosika sady niteny ratsy vehivavy bevohoka, omaly antoandro tetsy Ampefiloha, no niharan’ny hatezeram-bahoaka. Niakatra afo ny ankamaroan’ireo mpandeha nahita ny fihetsika tsy
faneho masoandro nataon’ity vazaha mainty hoditra ity. Tovolahy bokonozatra tsy nahatsindry fo no nisintona avy hatrany ny vozon’akanjony sady nanosika azy hivoaka ilay fiara fitateram-bahoaka mbola teny am-pandehanana. Hany herin’ilay kaomorianina nidina teo Anosy, noho ny tahotra.
Manjanaka
Maso mahita, manjakazaka ny vahiny sasany tsy tan-dalàna eto amintsika. Manao ny ataony sy nahabe resaka tato ho ato ny sinoa (fanondranana harem-pirenena an-tsokotsoko), karana (maka tany sy voasaringotra matetika amin’ny resaka kidnapping), ny fanamparam-pahefana sy fanambaniana ny Malagasy ataon’ny vazaha tsy lazaina intsony. Lasa tompony mangataka ny atiny toa vahiny mipitrapitra amin’ny taniny ny malagasy ankehitriny. Fa hatramin’ny mavo ranjo sahy manambany gasy amin’izao.
Eric R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.