Maso mahita ity trangam-piarahamonina iray ity. Sendra ny nahay azy ity tovolahy mafana fo mpitory teny an-dalambe ity. Voalaza fa izay tovovavy mivavaka ao amin’ny fiangonany dia hadalainy avokoa. Nisy zazavavy zanaka mpimasy nadalainy ka tafaraka taminy.
Rehefa fantatry ny ray aman-drenin-drakalakely ny fiarahan’izy ireo dia nampanantsoina ity lehilahy ity. «Haka ny zanako ho vady ve ianao sa hanadala azy fotsiny ?». Valy boraingina anefa no navaliny. «Ny zanakao no miadaladala amiko», hoy izy. Tezitra ny ray aman-drenin’ilay tovovavy ka nampiasa ny fahaizany sikidy. Efatra andro taty aorian’ny fihaonana, lasa nivika nanary lamba mihitsy ilay tovolahy avo vava nanadala zanaka ombiasy. Nahita izany ny fianakaviany nanome ny vaovao, tonga nifona tany amin’ny rain’ilay zazavavy, saingy tsy nilefitra ity farany. Raha ny tsilian-tsofina dia voalaza fa naolan’ity tovolahy ity ilay zanaka mpimasy, ka io no antony nahatezitra ny rainy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.