Tovovavy 18 taona no maty nokendaina rehefa avy naolana tao amin’ny Fokontany Antsahavory, Kaominina Ambohimahazo, Distrikan’i Manandriana ny alahady 13 aprily lasa teo.
Nantsaka tany an-dohasaha toy ny fanaony ity tovovavy ity tokony ho tamin’ny 6 ora maraina. Efa tamin’ny 8 ora anefa tsy mbola nipody izy. Mahana ny fianakaviana ka nanaraka azy. Vatana efa mitsirara amin’ny tany sady misarita-bolo no novantanin’izy ireo teo am-pantsakana ary ny siny tsy mbola nisy rano. Nisy taratasy ihany koa teo an-tratrany izay nisy soratra hoe: “Namono tena aho ry Dada sy Neny fa tsy zakako ny fahasahiranana”.
Rehefa nojeren’ny mpitsabo sy ny mpitandro filaminana dia hita fa nisy dian-tady ny tendany izay toa nokendaina ary voamarina fa voaolana ilay tovovavy. Rehefa nojerena dia tsy sora-tanany ilay taratasy. Tovolahy iray voalaza fa efa nanadala azy moa no notazonina vonjimaika amin’izao fotoana satria taorian’ny fampitahana dia ny sorany no nitovy tamin’ilay soratra hita. Mbola mitohy, araka izany, ny fanadihadiana momba ity fanolanana niharo vono olona ity amin’izao fotoana. Kilasy famaranana ao amin’ny Lisea Ambohimahazo moa ity tovovavy maty ity, ary mpiara-mianatra aminy ilay voatazona amin’izao fotoana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.