Fito taona katroka anio talata 28 aogositra no nahafaty ny minisitry ny mponina tamin’ny tetezamita Nadine Ramaroson, noho ny loza an-dranomasina raha avy niatrika fety tany Sainte Marie nihazo an’i Soanierana Ivongo ny 28 aogositra 2011.
Nipoaka ny sambokely haingam-pandeha Black Shark nitondra azy, ka nahafaty azy sy ny mpandeha maromaro mpiara-miasa aminy. Hisy ny lanonam-pahatsiarovana azy eny amin’ny Ivontoerana Orchidée Blanche Androhibe anio. Nanana dosie maro momba ny fanondranana andramena sy afera maloto maro izy ary efa nahazo fandrahonana ho faty, raha ny fanambarana efa nataon’ny olona akaiky azy. Nalaza sy voasokajy ho olona tsara toerana ho filoham-pirenena izy ka nialonan’ny olon’ny fanjakana tetezamita, hany ka ny fanaperana ny ainy no hany vahaolana ary nofafana ireo soritra sy porofo nananany momba ny afera maro, raha ny lahatsoratra iray hita ao amin’ny tranonkala “http://collectif-gtt.org/file/Nadine_ramaroson.txt”. Voalaza fa hatrany amin’ny 160 000 km ny fitetezam-paritra vitany fony minisitra. Tsy Malagasy ihany no voalaza ho tao ambadiky ny famonoana fa nisy teratany vahiny namatsy vola satria nanelingelina azy ireo ny fijoroan’i Nadine Ramaroson niady tamin’ny fibodoana tany sy fangoronan-karena samihafa. Voalaza ao anatin’io lahatsoratra io fa 10 tapitrisa Euros na 30 miliara Ariary teo ho eo ny vola notsinjaraina ho an’ireo nandray anjara nivantana na an-kolaka. Nisy fivoriana miafina ny alin’ny 13 jolay 2011, nataona manampahefana sivily sy miaramila ary teratany vahiny,… tamina tranom-panjakana iray, ka mety nikotrehana ny paikady namonoana azy. 7 taona aty aoriana
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.