kolonely begalona ny taninay !»
Miantso vonjy amin’ny Fanjakana mahefa ny mponina ahitana fianankaviana 35 eo eny Andraisoro izay milaza fa alaina an-keriny ny tanin-dry zareo. Niantso ny Minisitry ny fanajariana ny tany sy ny fananan-tany Jeneraly Lylison de René izy ireo mba hijery akaiky. Kolonely iray malaza R.F. sy ny dadany no ambaran’ireo mponina fa manao didin’ny besandry, maka ny tany efa nohajarian’ireo Raiamandreny nandritra ny 60 taona, 50 taona,… Mandrahona anay hoe ho rera-poana ianareo mamboly fa efa lasanay ny tany io manamboninahitra malaza io, hoy ireo mponina. Manizingizina izy ireo fa manana ny tompony ara-dalàna ny tany saingy mbola tsy eto an-tanindrazana sy anaty tsy fahasalamana. « Nomen’ny tompony fitokisana sy taratasy ara-dalàna hanajary ny tany izahay. Efa nisy fampanantsoana tany amin’ny BC Anosy, nilazana fa efa novidian’ilay Kolonely 1 Miliara ny tany, kanefa tsy marina fa mbola misoratra amin’i Maitre Tiana Rafamatanantsoa, vita « notoriété » taminy tamin’ny 2021 », hoy hatrany ireo mponina. Ny alarobia teo dia nisy fandefasana olona niaraka tamin’ny vaditany mba hanakanana ny olona tsy hamboly. « Ny tompon’ny tany mbola manan-kery na « à jour » tsara ny « juridique» ka malahelo izahay amin’ny tsindrihazolena ataon’io kolonely io. », hoy hatrany izy ireo. « Tany misy « pré notation » io tany io ka tsy tokony ho voakitika na iza na iza, ka mahagaga. Nandritra ny firy taona ny Raiamandreninay, izahay no nomena fahefana nanajary teo, dia gaga izahay fa karazan’olona maro no tonga eo milaza ho tompony, kanefa ny tena tompony aza mbola mametraka anay hoe : mipetraha eo fa mbola ahy ny tany. », hoy ny fanazavan’izy ireo. Milaza ireo mponina fa nisy olona efa nogadraina tsy ara-drariny 2 taona lasa, tsy resaka tany fa nolazaina fa nandrahona olona ho faty vehivavy izay tsy fantatra akory. Milaza ho mahazo fandrahonana fa handefasana miaramila 2 kamio izy ireo ankehitriny, mandeha ny fandrotsahana biriky amin’ny alina,... Nisy poa-basy in’efatra afak’omaly alina, ka miantso ny hanaovana fanadihadiana izy ireo. «Izaho tsy anatin’ny mpanajary ny tany, fa amin’ny maha mpiara-monina ety Andraisoro, be loatra ny kolikoly amin’ny resaka aferana tany ety. Amin’izao andron’ny fanavaozana izao dia miandry ny fitondram-panjakana satria ny zavatra hita ankehitriny dia hoe be bokotra ilay olona. Atsaharo dieny izao satria raha ny « renseignements » hitanay eto, na ny trano aza mbola misy ady amin’ny tribonaly, izany hoe : « titré-borné » amin’olona, ka Raiamandreny ianao, mipetraha amin’ny maha Raiamandreny. Miantso ny fitondram-panjakana, indrindra ireo izay miaro ny vahoaka sy ny fananany, ny fitsarana, ny Filoha mba hijery akaiky ny olan’ny fananan-tany eto Madagasikara satria hatramin’ny fasan-drazan’olona mbola hobodoin’olona indray andro any », hoy Atoa Dominique R. mponina eny an-toerana. Andrasana ny tohiny sy ny mety ho setriny…
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.