Actualités

Mponin’ny «La Réunion kely» Miandry azy ireo ny eny Soaniedanana


  • Zoma 13 Febroary 2015

Anjara biriky nentin’ny Hafari Malagasy ny mifanome tanana amin’ny mpitondra fanjakana sy sehatra tsy miankina hanampiana ireo mpiara-belona ny tetikasa fifindra-monina an-tanŕn-dehibe eny Soaniedanana. Tafiditra ao anatin’ny fandaharanasa ny fandresen-dahatra ireo mponin’ny

  «La Réunion kely» hihazo ny eny amin’ny PK 67 mampitohy ny lalam-pirenena faha-4. Nidina ifotony nijery ny zava-misy any an-toerana ny alarobia teo ireto fianakaviana tsy manan-kialofana ireto taorian’ny fifampiresahana im-betsaka teo amin’izy ireo sy ny solontenam-panjakana niaraka tamin’ny fikambanana namolavola ny «Exode urbain». Trano fonenana miampy asa fivelomana mifototra amin’ny fambolena moa no miandry ireo tapa-kevitra. Manana adidy amin’ny fanarenana ny fiainan’ireo vahoaka sahirana ny olom-pirenena, ny fiarahamonim-pirenena, hoy ny filoha nasionalin’ny fikambanana Rafanomezantsoa Jean Nirina. Andraikitry ny fanjakana kosa ny manamora sy ny manafaingana ny fanatontosana ny tetikasa ka mifanindran-dalana amin’izay ny fiovan-toetsaina, araka ny fanamarihany.

Ramano F. / Nofy R.

Sary fampihaingoana :  Teny La Réunion kely (sary Nofy R.)

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • LalĂ na mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT