Actualités

Mponin’i Toliara Misotro rano maloto, mirongatra aretin-kibo


  • Alakamisy 12 Febroary 2015

Nitondra faisana taorian’ny fandalovan’ny rivodoza Fundi tany amin’ny faritra Atsimo Andrefana. Misotro ranom-potaka maloto tsy ara-pahasalamana amin’izao ny 95 %-n’ny mponina any amin’ny distrikan’i Toliara II

 

. Betsaka amin’ireo tanàna manamorona ny renirano Fiherenana no mantsaka eo, ka tsy maintsy misotro ny ranom-potaka mena avy amin’ity renirano ity. Ireo lavitra na ambony toerana kosa maka rano miandrona eny rehetra eny. Vokany, mirongatra ankehitriny ny aretin-kibo ary lasibatra ireo marefo (zaza, vehivavy bevohoka, antitra). Misotro ranom-potaka ihany koa ireo mponina ao an-tampon-tanànan’i Toliara izay mantsaka rano amin’ny vovo, satria tsy mamaly ny filan’ny rehetra ny paompin-dranon’ny Jirama.

           

Maro ireo tsy afa-mitsabo tena

 

Ambonin’izany, manampy trotraka amin’ny fiparitahan’ny valanaretina vokatry ny loto ny fanaovan’olona maloto (diky) eny rehetra eny, indrindra ny amoron-drano noho ny tsy fisiana na tsy fahampian’ny trano fivoahana. Mbola olana misakana ny fomban-tany (tsy mandevin-tay). Vokatry ny rano miandrona tsy mbola mihena masiso amin’izao, dia mirongatra ny aretin-koditra ary mampandamaka ny maro tsy afa-mamindra ny baibay amin’ny tongotra. Betsaka ireo marary tsy afa-mitsabo tena na ny hohanina aza manahirana.

 


 

Eric R.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • LalĂ na mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT