Mizotra araka ny tokony ho izy ny fanisana ireo mpivarotra eto an-drenivohitra. Voakasik’izany manokana ny ao amin’ny Boriborintany fahefatra na dia teo aza ireo karazana sakana nataon’ireo mpivarotra sasany.
Nambaran-dRatsimbarison Harifidy, lefitra faharoan’ny Boriborintany fahefatra fa noho ny tsy fahazoan’ny mpivarotra ny tanjona tiana hotratrarina tamin’ny fanisana azy ireo no nahatonga ny sasany hanao hetsika mifandraika amin’izany. Ankehitriny anefa efa mazava amin’ny rehetra ka tsy misy intsony ny olana. Ho an’ny tsenan’Anosibe manokana dia fantatra fa ny 90 %-n’ny fanisana ny mpivarotra no efa vita ankehitriny raha miandry ny orinasa AMETIS amin’ny fanamboarana ny karatra sisa ireo mpivarotra ao Soamanatombo sy Mahamasina. Mikasika ireo mpivarotra mbola minia tsy manaiky ny fanisana hatao aminy dia fantatra fa tsy misy ny sazy omena azy ireny. Na izany aza dia nanambara ity tompon’andraikitra ity fa tsy maintsy alana amin’ny toerany izy ireny raha mbola minia miziriziry ary soloina mpivarotra hafa.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.