Actualités

Mpivarotra eny Analakely sy ny manodidina Nisy ireo nanakatona ny tsenany, omaly


  • Zoma 18 Mey 2018

Na dia tsy nikatona 100 % aza ireo mpivarotra teny Analakely omaly noho ny fangatahan’ireo solombavambahoaka 73 mianadahy ho an’ny fanovana mba hifanotrona amin’ny tolona dia betsaka ihany ireo nanaraka izany niara-nientana tamin’ny vahoaka.

Anisany ny teny Behoririka, Soarano ary Analakely. Niverina nivarotra daholo ihany izy ireo ny folakandro. Ny hanehoana ny tsy fankasitrahana intsony izao fitondrana mijoro izao no tanjona, araka ny resaka nifanaovana tamin’ny ampahany tamin’izy ireo izay nomarihin’izy ireo manokana fa fototra mampahantra ny vahoaka Malagasy tahaka izao. Teny amin’ny tsenan’i Mahamasina kosa indray dia betsaka ireo mpivarotra no manohana ny tolona ary vonona ny hanaraka saingy noho ny fitadiavana dia tsy afa-manoatra. Misy amin’izy ireo mantsy no tsy mba afaka mivarotra raha tsy ny alakamisy irery ihany. Andrasana, araka izany, izay mety ho tohin’ny hetsika.

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

Hijery ny tohiny
FTT