Vehivavy mpivaro-gazety roa no nifandramatra teny amin’ny faritra 67 ha ny alarobia teo ka nampitangorona ny olona. Bevohoka tokony ho enim-bolana ny iray tamin’izy ireo. Ny gazety hamidy no nampifamaly azy ireo raha ny fintantaran’ireo nanatri-maso. Tsy nahatanty anefa ny iray ka avy hatrany dia nitolona ny iray narahina kaikitra ka voa mafy ilay iray nitondra vohoka. Rovitry ny kaikitra mihitsy mantsy ny kibony ka nijinika ny ra. Mbola saika nitohy tamin’ny fanindronana antsy ny raharaha raha tsy nalaky voasaraky ny olona izy ireo.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.