Mpivady indray no voapoizina tamina resaka bizina volamena tany amin’ny kaominina Dabolava, distrikan’i Miandrivazo ny faran’ny herinandro teo. Raha ny fanazavana dia mpitrandraka volamena avy any Dabolava izy ireo
. Nisy namany tonga nitady volamena tanyan-toerana ka niantrano tao amin’ireto mpivady ireto nandritra ny 2 andro. Raikitra ny bizina saingy voalaza fa tsy vita tany an-toerana ny adivarotra ka niara-nihazo an’Antsirabe, toerana voalazan’ireto mpitady volamena hovidiana fa misy ny volany izy ireo ny zoma lasa teo. Rehefa tonga tany Antsirabe dia nihidy tao amin’ny efitrano fandraisam-bahiny nofain’ireto mpivady ireto izy ireo ny folakandron’ny zoma lasa teo mba hifandinika momba ny adivarotra. Efa alina ny andro kanefa tsy mbola nisy olona nivoaka ny trano ihany ka mailo ireo fianakaviana. Nantsoina tamin’ny finday ilay raim-pianakaviana anefa efa feon’olona reraka be no namaly azy ireo. Voatery nopoirina ny varavarana kanjo izy mivady efa reraka tsy nahazaka tena intsony no hita niaraka tamina poti-tsakafo sy ranom-boankazo. Nentina haingana tany amin’ny hopitaly Loterana Andranomadio izy ireo ny alin’io zoma io tokony ho tamin’ny sivy ora ka ny fizahana nataon’ireo mpitsabo no nanamarihana fa nihinana poizina mampatory izy mivady. Ny filazany no nahafantarana fa lasan’ireo namany namadika azy ireo avokoa ilay
volamena maherin’ny 1 kilao tany aminy. Efa misokatra ny fanadihadiana.
Caïus R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.