Tontosa omaly zoma 6 jolay tetsy amin’ny fitsarana ambony Anosy ny fianianan’ireo mpitsara vaovao miisa 50 nivoaka teo anivon’ny sekoly ambony misahana ny ENMG.
Raha ny fanazavana omaly dia efa samy manana ny toerana heverina fa handefasana azy araka ny andraikitra sahaniny avy izy 50 mianadahy ireto. Manana ny Sata na « grade » « Magistrats judiciaires » moa ny 30 amin’izy ireo, raha tsiahivina. « Magistrats administratifs » kosa ny 10 ary « Magistrats financiers » ny 10 ambiny. Efa tamin’ny 24 mey no nomena diplaoma ireto mpitsara vita fianianana ireto, hoy ny talen’ny fampiofanana sy fianaran’asa eo anivon’ny ENMG, Imbiky Herilaza, saingy niandry ny fanendrena minisitra vaovao vao afaka nanasonia ny didy fanendrena azy ireo.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.