Mivaona tanteraka ny zava-misy eto satria ny olona efa neken’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) fa nanitsakitsaka lalàmpanorenana no mbola avela mitantana firenena.
Voahitsakitsakitsaka ny andininy faha-167 mamaritra fa raha tsy voatsangan’ny filoha tao anatin’ny 12 volana taorian’ny fianianany ny Fitsarana Tampony na ny HCJ, dia azo esorina ny filoha saingy ny HCC indray no niaro azy. Mbola nidingin-drambo ihany koa tamin’ny fitsanganan’ny governemanta, ka nahatafiditra minisitra 12, izay vao mainka manitsakitsaka ny andininy faha-54 ao amin’ny lalàmpanorenana. Malalaka izany ny tsimatimanota miteraka zavatra manala baraka taorian’ny efa fampanginana ny afera maizina maro, toy ny volabe 3 000 000 Euros tratra tany amin’i Nicole Randrianarisoa mpanolotsain’ny filoha tamin’izany ny volana desambra 2015, ny raharaha Claudine Razaimamonjy, raharaha Houcine Arfa sy ny resaka kolikoly 70 000 Euros, ny fitsimbadihan’isa momba ny vola amina tsenanan’asam-panjakana tao amin’ny ARMP … ary Ireny rehetra ireny no miteraka ahiahy ho an’ny mpamatsy vola. Mirehareha fatratra indray anefa ny mpitondra satria nahazo ny volan’ny FEC (Facilité Elargie de Crédit) 44,25 tapitrisa dolara Amerikanina avy amin’ny Tahirim-bola iraisam-pirenena na ny FMI. Raha ny tokony ho izy, henatra ho an’ny mpitondra ny FEC satria ny tena dikany dia fanampiana homena ny governemanta tena sahirana mandalo krizy. Ratsy tantana ny firenena, ary tsy mahavaha olana ny mpitondra, ka mila mitambezo io vola io. Tsy voahaja ny fepetra 6 momba ny fitantanana mahomby, toy ny resaka fahombiazana, ny fandraisan’anjaran’ny rehetra (fomba fijery sy vinam-pampandrosoana, haitarika sy fiaraha-miasa, fifanakalozan-kevitra), ny fitoviana (zo sy fandraisana an-tanana ireo vondron’olona marefo), fangaraharana sy ny tatitra mazava (zon’ny olom-pirenena hahazo vaovao, tatitra mazava momba ny volan’ny kaominina, ny resaka tsenam-panjakana).
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.