Tandremo ihany rey olona fa fo rano mafana. Amin’ny tsy ampoizina mety handatsahana ain’olona. Mpaka trondro sy foza orana iray no torana voavely fangady, omaly naraina, tetsy Antetezana Afovoany.
Raha ny vaovao voaray, resaka harato voasaringotra ka tataka no fototry ny olana teo amin’ireto roalahy samy mpanjono sy mpaka foza orana amina tanimbary iray lasa dobo amin’izao eny an-toerana. Na nifona aza ilay nanimba fitaovana, dia mbola nivazavaza sy niteny ratsy ary nentin-katezerana naka angady izay nivoizany lakana ka nikapohany ilay nanimba ny haratony. Torana avy hatrany ity farany taorian’ny dona mafy nahazo azy teo amin’ny farahatony. Raha ny vaovao voaray hatrany, dia mpiray tanàna ihany izy roalahy ireto, ary tsy nisy olana ara-piarahamonina talohan’io.
Eric R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.