Nanamafy omaly ny filohan’ny sendikan’ny mpiraki-draharaha eto Madagasikara Rabenandrasana Nicolas fa dia mbola mitohy ny
fitokonan’ireo mpiraki-draharaha mandra-pahitana ny vahaolana mivaingana sy azo tsapain-tanana avy amin’ny minisiteran’ny fitsarana. Izay no tapaky ny fivoriambe nataon’izy ireo omaly teny Anosy. Tsy vitan’ny fampanantenana izy ity fa mila zavatra mivaingana izahay, hoy izy satria efa hatramin’ny 2012 no nampanantenaina ny mpiraki-draharaha fa tsy maintsy ahitam-bahaolana ny fitakian’izy ireo amin’ny fitondrana mijoro ara-dalàna aorian’ny fifidianana. Efa mba roa tana sy tapany kosa izay no lasa ka takianay io vahaolana io, hoy Rabenandrasana Nicolas, notsipihany mazava tsara fa mila fahafaham-po amin’ny fitakiany rehetra ny sendikan’ny mpiaraki-draharaha vao miverina miasa. Fantatray tsara, hoy izy fa mijaly ny vahoaka noho ny fikatsoan’ny raharaham-pitsarana, saingy any amin’ny fitondram-panjakana ny baolina satria izy no manapaka sy manana ny teny farany hoe hovahana ve sa tsia ny olana. Andrasana amin’ity talata ity na rahampitso alarobia moa ny fivoaran’ny fifampiraharahana mba hamahana ny olan’ny mpiraki-draharahan’ny fitsarana eto Madagasikara. Mandra-piandry izay aloha dia mitohy izany ny grevy.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.