Nisy ny fiofanana ho fiomanana sahady ny fiatrehana ny taom-pahavaratra sy ny rivodoza notanterahana teny amin’ny kaominina Ambanivohitra Ampanefy,
faritra Analamanga, distrikan’Atsimondrano omaly alakamisy 2 aogositra. Fiaraha-miasan’ny mpilatsaka an-tsitrapo na volontera SAF FJKM avy amin’ny faritra rehetra sy ny birao nasionalin’ny fitantanana ny loza ara-boajanahary (BNGRC). Fanazarana andrana mihitsy no natao ary niarahana tamin’ny mponina tao Ampanefy. Marefo amin’ny resaka tondra-drano sy ny rivodoza ity kaominina ity ka izay no nifidianana azy. Anisan’ny voa mafy izy tamin’ny ranobe tamin’ny 2015 sy tamin’ny ora-nikija tamin’ny fiandohan’ny volana 2018. Fokontany 5 tamin’ny 8 tao Ampanefy no lasibatra tamin’izany ary nahatratra 4000 ireo traboina. Noho izany dia teraka ny fifanarahana famatsiam-bola avy amin’ny vondrona eoropeanina vao nosoniavina tamin’ny alatsinainy teo. 360 tapitrisa Ariary izy io ary hiompana tanteraka amin’ny fotodrafitrasa hiarovana amin’ny loza ateraky ny tondra-drano araka ny tatitry ny ben’ny tanànan’ny Kaominina Ampanefy, Atoa Ramiliarison Fabrice Lova Tiana. Etsy an-daniny, ny synodam-paritany 12 izay misy mpilatsaka an-tsitrapo miisa 10.000 mihitsy no miara-misalahy amin’izao hetsika izao mba ho tsara fiomanana amin’ny izay ranobe ho avy araka ny tatitry ny mpandrindra ankapoben’ny volontera FJKM, Ranaivoniarivo Ieja.
Tsiry
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.