Actualités

Mpikambana CT sy Lehiben’ny Faritra Boeny Mifandramatra amin’ny resaka hazo sarobidy


  • Zoma 10 Desambra 2010

Vaky ny ady eo amin’ny Lehiben’ny Faritra Boeny, Rasoloniaina Jean Christophe Noël, sy i Léon Rasalama, mpikambana ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita ary depiote TIM teo aloha voafidy tao Mahajanga II.

Ity farany miampanga itsy voalohany ho manao fanamparam-pahefana. Araka ny fantatra dia misy hazo voamboana telo kamio sarona teo ampidirana ny tanànan’i Mahajanga, nandritra ny fisavana natao. Natoby avy hatrany ao amin’ny résidence-n’ny Faritra ireo hazo ireo. Eo no nampiaka-peo an’i Léon Rasalama, tompony satria aminy dia tsy manana fahefana hanageja ireo hazo ireo ka hametraka azy ao an-tokotaniny ny Lehiben’ny Faritra Boeny. Nambarany koa fa nahazoany alalana avy amin’ny VOI Amboromalandy, Marovoay, ny hazo ary voamarin’ny DREF Boeny na talem-paritry ny tontolo iainana ao Boeny. Mahita anefa ny lehiben’ny Faritra fa misy fandikan-dalàna satria tsy voahaja ny refy tokony hanapahana ny hazo. Nifanasa vangy teny amin’ny haino aman-jery tao Mahajanga ny roa tonta omaly. Nilaza ny tompon-kazo fa haneho ny porofo ny maha ara-dalàna ny entany amin’ity anio ity. Any Mahajanga ny Ministry ny tontolo iainana sy ny ala, ny jeneraly Raveloharison Herilanto mandritra izany rehetra izany.

Nisy gazety mpivoaka isan’andro iray teto an-drenivohitra mantsy namaky bantsilana fa nisy kaontenera 90 isa feno “bois de rose” niala tao Mahajanga naondrana any ivelany any. Nikoropaka ny FAT ary nidina nanara-maso sy nanadihady ny zava-misy any an-toerana ity Ministra ity. Nisy ny filazana omaly fa dia hazo voamboana avy amin’ny Faritra Boeny, Sofia ary Betsiboka ary efa voavoatra ary nahazo alalana ireo naondrana ireto fa tsy “bois de rose” araka ny voalaza. Araka ny fantatra anefa dia matetika ny “scanner” eo anivon’ny seranan-tsambon’i Mahajanga no manao fanamarihana “suspect” na entana mampiahiahy amin’ireo kaontenera mandalo fitsirihana eo aminy, nefa tsy misy arakaraka na fisavana hanamarinana izay ao anatiny marina. Ny loharanom-baovao hafa moa dia manondro tsotra izao fa “bois de rose” ireo. 

Nangonin’i Jean D.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JIRAMA
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Handatsaka orana artifisialy

  • Voaheloka sy mbola
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

misy dosie goavana i Marie Michelle

  • FAHARETAN’NY
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

PASIPAORO HO 10 TAONA

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

Hijery ny tohiny
FTT