Mitaraina ankehitriny ny vadin’ireo miaramila sy zandary tao amin’ilay Task Force natsangan’ny FAT mba hanenjika sy hisambotra ireo olona minia manapaka ny “bois de rose” tany amin’iny faritra avaratra atsinanan’ny nosy iny, satria raha araka ny nambaran’izy ireo dia tamin’ny volana aprily tamin’ity taona ity no nahazo tambin-karama farany ireto mpikambana tao amin’ny Task Force ireto.
Noho izany dia ao anaty fahasahiranana izy ireo satria tamin’ny fotoana naharitra tsy nahateo ireo raim-pianakaviana noho ny asa nampanaovin’ny fanjakana azy dia matetika no nidi-trosa ny ankamaroan’ireo tokantrano, ary nanantena fa rehefa miverina ramose dia hatevintevina ny vola horaisina. Tsy izay anefa no nitranga efa ho valo volana izao. Voalaza anefa fa sady sarotra no mafy ny asa satria herinandro maromaro no nivezivezy tany anaty alan’i Mananara Avaratra. Manaitra ny tomponandraiki-panjakana, araka izany, ireto vadin’ny mpikambana tao amin’ny Task Force ireto mba hijery akaiky ny zavatra tsy maintsy atao amin’ny fandoavana ireo tambin-karama satria mahatsiaro tena ho niharan’ny tsy rariny izy ireo.
Ny amin’ny lafiny iray kosa dia toa mampanontany tena ny maro ihany ny tena nananganana iny Task Force iny, nitsangana ara-dalàna tokoa ve ilay izy, sa natsangana noho ny fahataitairana tahaka ny FIS fotsiny, ka tsy fantatra izay tena marina ? Raha sanatria mantsy ka tsy nisy rijan-teny mazava nananganana ilay Task Force milaza ny fitsipi-pifehezana ao sy ny zo aman’andraikitra ary ny tombontsoa omena ny mpikambana, dia ho zava-poana ny an’ireto miaramila sy zandary niasa am-bolana tany anaty ala ireto satria afaka miala sy tsy mandoa ny tambin-karaman’izy ireo mihitsy ny Fanjakana. Eo amin’ny vokatry ny asa natao ihany koa dia tsy dia maharesy lahatra ny maro satria, efa ho herintaona no niasan’ny Task Force, kanefa dia mbola mitohy mivezivezy manerana an’i Madagasikara ny “bois de rose” avy any Mananara Avaratra sy ny faritra rehetra manodidina azy, ary miitatra hatrany Atsimo Atsinanana sy Anosy aza.
Koa mipetraka ny fanontaniana eto hoe : nahoana no tsy hitan’ireo Task Force tany am-potony ny nanapahana sy niaingan’ireo hazo sarobidy tratra etsy sy eroa ireo ? Nisy ny olona voasambotra sy nampidirina am-ponja, saingy tsy araka ny zava-misy marina ireny. Raha ny filazan’ny mponina any amin’iny faritra avaratra atsinanan’ny nosy iny mantsy dia olona tsy latsaky ny 3000 no mivezivezy any anaty ala any maka “bois de rose”. Koa nahoana no tsy misy aman-jatony akory ny voasambotra hatramin’izay ? Noho izany rehetra izany no mahatonga ny mpanara-baovao hilaza fa tsy nahitam-bokany tsara araka ny novinavinaina akory ny asan’ilay Task Force fa karazana fihetsiketsehana ivelany fotsiny mba entina ilazana fa miasa ny fitondrana tetezamita.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.