Anisan’ny loza tena mananontanona ny fiainan’ny ankizy sy tanora ankehitriny ny fandraisana sy ny fidorohana zava-mahadomelina. Raha araka ny fanadihadiana natao teo anivon’ny ivontoerana “Centre de Cure Aro Aina”
etsy Andravoahangy, anisan’ny manampy ireo ankizy sy tanora ary olon-dehibe ho afaka amin’ny fiankinan-doha amin’ity zava-mahadomelina ity dia mahatratra 75 % ireo ankizy 14 ka hatramin’ny 20 taona tonga manatona azy ireo. Misy amin’izy ireo no efa ela nandraisana rongony, misy ny vao haingana. Miankina amin’izay tranga izay ihany koa ny fe-potoana hitsaboan’ny centre ireo ankizy sy tanora ireo. Iray volana sy tapany no fotoana kely indrindra ary enim-bolana no betsaka indrindra. Saika tsy mahavita mianatra intsony mantsy ny ankamaroan’ireo ankizy ireo, hoy ny dokotera Andriamiarinarivo Miarisoa vokatry ny fikorontanan’ny atidohany. Misy ireo miala mianatra mihitsy vokatr’izany, raha misy koa ireo manakorontana ny fiarahamonina misy azy ankoatra ireo tena lasa adala. Miankina betsaka amintsika ray aman-dreny hatrany ny fikoloana ireny menaky ny aintsika ireny ka anisan’ny fihetsika fadiana voalohany ny fanirahana azy hividy na handrehitra sigara, môdely ratsy akaiky tena mora alain’ny ankizy tahaka tokoa. Marihina fa andro iraisam-pirenena natokana iadiana amin’ny fidorohana sy fanaovana trafikana mahadomelina rahampitso 26 talata jona.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.