Actualités

Mpiasan’ny orinasa Fanalamanga Manohana ny tolona saingy manohitra ny fanakatonana ny orinasa


  • Alakamisy 24 Mey 2018

Nivoaka tamin’ny fahanginany omaly ireo mpiasan’ny orinasa Fanalamanga maro isan-tsokajiny manoloana ny zava-misy ankehitriny.

  Nambaran’izy ireo fa manohana feno ny tolona ho amin’ny fanovana izy ireo saingy tsy manaiky kosa ny  fanapotehana sy ny fanakatonana ny orinasa Malagasy efa mandroso sy mamelona olona an’aliny tahaka ireny. Anisany  ireo mpitrandraka ala, ny mpitatitra,  ireo  mpanao fanatanjahantena, ny mpanao arina … izay saika efa mamelom-bady aman-janaka avokoa.  Ankoatra izay, nanampy ny rehetra ny orinasa Fanalamanaga sy ny tale jeneraly izay mitantana amin’izao fotoana sady nitsinjo ny mpiasa ihany koa. Io tale jeneraly  io ihany koa no nanarina ny orinasa izay  tao anatin’ny fahasimbana tanteraka. Manahy mafy ny mety  hiverenan’ny fahapotehana indray izy ireo raha olona hafa no hitantana ity orinasa misy azy ireo ity.  Nomarihin’ireto mpiasan’ny orinasa Fanalamanga avy any Moramanga ireto moa fa izay orinasa tsy mandroso no tokony hojerena ny fanovana izay mpitantana ao aminy fa tsy ireo efa mandroso sy manasoa vahoaka an’aliny maro.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT