Omaly talata 28 aogositra no nanatanteraka lamesa fanomezam-boninahitra an’Andriamanitra tetsy amin’ny Orchidées Blanche Androhibe ny mpiasan’ny minisiteran’ny mponina,
ny fianakaviana ary ny FIraisakinan’ny Andriambavilanitra MAlagasy (FIAMA). Izany no natao mba ho fahatsiarovana ny nahafatesan’i Nadine Ramaroson, 7 taona lasa izay. Fiaraha-mivavaka no natao ary nisy ny fampirisihina ny fanohizana ny asa vitany ary nanambarana mazava fa tsy mbola misy hatreto ny valin’ny fanadihadiana natao tamin’iny loza iny. Taorian’izay dia nisy ny solontenan’ny mpiasan’ny minisitera niandraiketany hihazo avy hatrany ho any Soanierana Ivongo izay nisian’ny loza naharendrika ny sambo nitondra an’i Nadine Ramaroson tamin’ny 28 aogositra 2011. Hametraka tsangambato fahatsiarovana ary hanoratra ireo olona rehetra nindaosin’ny fahafatesana niaraka tamin’Itompokovavy ny minisitera.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.