Mikatso tanteraka fikarakarana taratasy eo anivon’ny tontolon`ny asam-panjakana manerana ny nosy. Nanakatom-baravarana sy hampikatso ny fampandehanan-draharaha rehetra ireo mpiasa eo anivon`ny minisiteran`ny asam-panjakana ,ny fanavaozana ny fitantanan-draharaham-panjakana, ny asa ary ny lalàna sosialy eny amin’ny 67 HA, fantatry ny maro kokoa amin’ny hoe MINFOP.
Io no fanapahan-kevitra noraisin`ireo mpiasa ao. Ingahy Rakotonomenjanahary Yves, lehiben`ny sampandraharahan`ny serasera, dia nanamafy omaly fa tsy hihemotra amin`ny fampikatsoana ny asam-panjakana izy ireo na maro aza ny fandrahonana ataon`ireo tompon`andraikitra ambony isan-tsokajiny. Tsy hiasa intsony izahay raha tsy misolo minisitra vaovao sady tsy matahotra izahay no tsy hanaiky hotapenam-bava intsony, hoy ireo mpiasan`ny FOP sady nilanja sorabaventy; tsy mety aminay intsony ny minisitra Maharante Jean de Dieu ary tsy mila azy intsony izahay, hoy izy ireo. Loza mitatao ho an`ny firenena tokoa raha tsy miasa ity minisitera ity satria avy ao avokoa ny raharaham-panjakana no miainga. Anisan`ny hambanimbanian`ny hafa ihany ny MINFOP, hoy ireo mpiasa mitokona kanefa tsy azo atao ambanin-javatra eto amin`ny firenena. Mahatsiaro ho kamboty sy tsy misy mpiahy ireo mpiasa ka tonga amin`ny fitakiana fialan`ny minisitry ny asam-panjakana, sy ny asa ary ny lalàna sosialy. Noho izany, hikatso tanteraka ny asam-panjakana manerana ny Nosy manomboka anio. Mbola nanamafy Atoa Yves Rakotonomenjanahary fa miantso an`ireo mpiasan`ny MINFOP rehetra hanamafy ny tolona. Tsy ekena ny fitondrana mpandrahona sy mpanao ramatahora amin`ny mpiasa. Marihina fa vao tamin`ny alakamisy lasa teo no nesorina tamin`ny toerany ny tale jeneralin’ny MINFOP noho ny fitakiana nataony mba hanatsarana ny tontolon`ny asa sy ny mpiasa eo amin`ity minisitera ity.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.