Actualités

Mpiasan’ny fadin-tseranana Ampiadian-dRtoa minisitry ny vola


  • Sabotsy 01 Septambra 2018

Manoloana ny grevin’ny sendikan’ny mpiasan’ny fadin-tseranana dia nisy ny fanambarana nataon’ny minisitry ny fitantanam-bola sy ny tetibola izay nilaza fa ny mpiasa mitokona ao ihany no nanipika ny taratasin-karama (bon de caisse sy ny bulletin de solde) tamin’ny penina menamena.

 

Tsy azo kitihina sy asiana kosoka (rature) satria tsy ahazoana vola ny manao izany, hoy kosa ny mpitarika ny sendika SEMPIDO, araka ny lalàna ao amin’ny fikirakirana volam-panjakana. Tsy izahay mihitsy no hamono tena sy hanao izay fomba tsy andraisanay ny karamanay ary misy tombokasen’ny tompon’andraikitra ireo taratasy ireo, hoy ny sendika. Fampiadiana ny mpiasa no nataon’ny minisitra ary tsy mahavaha olana sady manao herim-pamoretana. Nanambara ihany koa ny filohan’ny Sendika fa mandalo ny toeran’ny minisitra fa ny mpiasa no mitoetra ka tsy tokony hanao fampitahorana sy ny fampiadiana tahaka izany. Ohatra amin’izany ny “reliquat des remises” efa tamin’ny herintaona kanefa dia hotapahana noho ny tolona sy fitakiana ny rariny. Nanambara mazava ihany koa izy ireo fa tsy misy ny valiny momba ny fifanarahana GasyNet izay efa tena tapitra ary mahagaga ny mbola antony hitazonana io orinasa io. Nilaza ny filohan’ny sendika fa hisy ny fomba hafa entina hanohizana ny tolona na dia eo hatrany aza ny ramatahora.

Tsirinasolo

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT