Efa ela no niandrasan’ny mpiasan’ny SIRAMA ny fisotroan-drononony, indrindra ireo mpiasa “deflate” (naato tamin’ny asany) tamin’ny taona 2007.
Tonga ny fotoana satria dia nozaraina omaly talata 15 aprily 2014 teto amin’ny Maison des Jeunes sy ny BOA (Bank Of Africa) Brickaville ny vola fisotroan-dronono sy ny famerenana ny latsakemboka ary ny “rappel” ho an’ireo mpisotro ronono SIRAMA. Raha toa ka tamin’ny 1998 no tsy nandoa latsakemboka intsony ny SIRAMA dia voaloa ny trosa tamin’ny CNaPS ankehitriny. Nambaran-dRtoa Moana Essa Raseta fa izao ezaka izao no tontosa dia noho ny fiaraha-miasa teo amin’ny CNaPS sy ny SIRAMA ary ny Minisiteran’ny vola sy ny tetibola ary ny Tahirim-bolam-panjakana.
Dingana lehibe no vitan’ny mpitantana ny SIRAMA, araka izany, satria na dia efa tsy mihodina intsony aza ny orinasa dia niezaka ny mpampiasa hijery manokana ny Fiahiana ara-tsosialin’ny mpiasa mba hisitrahan’izy ireo ny zony. Naloan’ny SIRAMA tsikelikely ireo trosany tamin’ny CNaPS ka nahafahan’ny CNaPS indray namerina ny fikajiana ny zon’ny mpiasa SIRAMA. Santatra ihany ny tao Brickaville fa samy hahazo ny anjarany ny mpiasa SIRAMA manerana ny Nosy. Ny alarobia 16 aprily no hizarana ny any Ambilobe, ny alakamisy 17 aprily kosa ny any Nosy-Be ary samy handray ny zony ny mpiasan’ny SIRAMA miisa 508 manerana an’i Madagasikara.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.