Actualités

Mpiasan’ny «Finances» Mbola misy hametra-pialana


  • Talata 08 Febroary 2011

Taorian’ny fametraham-pialan’ny talen’ny kabinetran’ny ministeran’ny vola sy ny tetibola dia fantatra fa misy amin’ireo mpiasa eo anivon’io ministera io amin’izao fotoana izao no mikasa ny hanaraka ny diany.

Ny antony dia tsotra ihany, mivandravandra tanteraka ny tsy fandehanan’ny toe-bolam-pirenena noho ny tsy mety hataon’ny FAT amin’ny ankapobeny ary ny governemanta izay tsy afa-manoatra ankoatra ny manaraka ny politikan’ny FAT ihany koa. Raha hiverenana dia am-pahendrena tanteraka ny nametrahan’io tale voalaza etsy ambony io ny fialany rehefa tsapany fa mandeha any amin’ny tsy izy mihitsy ny fampiasam-bolam-panjakana. Ny mahakasika ny fidiran’ny fanjakana an-tsehatra tamin’ny fanafarana vary sy sy siramamy izay andraikitra tokony horaisin’ny sehatra tsy miankina kanefa lasa famonoana azy ireo indray no anisan’ny olana. Tena miharihary izany. Gejain’ny FAT avokoa izay mety ho fiodinam-bola misy eto amin’ny firenena. Anisan’ny antony tena mampazoto an’ireo hitazona sy tsy hizara ny fitondrana izany fanaparam-pahefana isan-karazany izany….

 r.d
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JIRAMA
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Handatsaka orana artifisialy

  • Voaheloka sy mbola
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

misy dosie goavana i Marie Michelle

  • FAHARETAN’NY
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

PASIPAORO HO 10 TAONA

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

Hijery ny tohiny
FTT