Actualités

Mpiasan’ny CUA 20 volana any am-ponja tsy mitsara


  • Alatsinainy 13 Desambra 2010

Efa-mianaka izy ireo ary misy mpianaka. 54 sy 52 ny zokiny indrindra, ny iray manan-janaka efatra ny iray enina. Nolazaina ho irony “gros bras” irony izy ireo. Toy ny isa-maraina dia tonga mamonjy fananganan-tsaina ary mandray ny toromarika momba ny asa izy ireo, izay manao itony asa fandaminana ny mpivarotra itony.

Teny ampanatanterahana ny asan’ny Kaominina, teny Anosy, mihitsy izy ireo no nosamborina ny 22 aprily 2009 ary nentina avy hatrany teny amin’ny biraon’ny CNME Ambohibao. Tsy azon’ny fianakaviany novangiana ry Ra-Tah, Todisoa R., Patrick R. ary Tahina R. nandritra ny 48 ora nitazonana azy ireo teny. Avy eo nalefa teny amin’ny fampoavana ny 24 aprily. Avy hatrany ny fitanana am-ponja vonjimaika any amin’ny fonjaben’i Tsiafahy no didy savaranonando nivoaka tamin’io. Fanohintohinana filaminam-bahoaka ary koa famonoana polisy mpitsikilo teny Anosy ny aprily 2009 no iampangana azy efa-mianaka ireo. Ny mahagaga ny fianakaviana ihany koa dia hafa ny zavatra nanaovana fanadihadiana azy ireo teny Ambohibao nefa niova indray izany rehefa teny amin’ny Fitsarana.

Ankoatra izay, hoy ihany ny fianakavian’izy ireo, dia nambara taty aoriana fa tratra ilay olona lazaina fa nitifitra ka nahafaty io polisy niampangana azy efa-dahy ireo, nefa mandrak’ity ny anio tsy notsaraina izy efa-mianaka ireo. Maty vady ny iray amin’izy efatra ireo. Mazava fa dia vesatra ho an’ny fianakiaviana ny fikarakarana ireo zanany. Manampy izay dia fantatra fa marary any am-ponja tratry ny “hémoroïde” ny iray amin’ireo, aretina izay izay efa mihamihombo mila fandidiana. Vola hatrany amin’ny 30.000Ar isam-bolana no lanin’ny fianakaviany hanalana fanaintainana fotsiny. Ny iray hafa misy tosidra. Nisy ny fangatahan’ny fianakaviana ny hamindrana azy ireo ao Antanimora ny volana novambra 2009. Ny roa ihany anefa no neken’ny fitsarana ny famindrana azy fa ireo roa hafa, izay tratry ny tsy fahasalamana mihitsy no mbola tavela eny Tsiafahy, ka anaovan’izy ireo antso avo mba hijerena izay lafiny maha olona izay ary koa hanafainganana ny fitsarana azy ireo, na hanomezana fahafahana vonjimaika hahafahany mitsabo tena mandra-piandry ny fotoam-pitsarana.

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT