Actualités

Mpiasam-panjakana ambony Tsy manaiky tsindritsindry intsony


  • Zoma 18 Mey 2018

Nanao fanambarana lehibe tetsy amin’ny minisiteran’ny atitany Anosy ny sendikan’ny mpiasam-panjakana ambony na ny SYNAD omaly alakamisy 18 mey manoloana ny tsindry isan-karazany.

Ho fitsinjovana ny tombontsoan’ny daholobe sy ho fiarovana ireo mpikambana, izay manda faran’ny fitantanan-draharaham-panjakana izy io. Nivoitra nandritra ny fanambarana novakian’i Andriamanana Mahavokatsoa Filohan’ny SYNAD fa tsy manaiky ny tsy fanomezana hasina ny administratera sivily izay nofanina manokana ho amin’ny fitantanan-draharaham-panjakana, toy ny fanilikilihana sy ny tsy fametrahana azy amin’ny toerany sy andraikitra mifanandrify amin’izany, tahaka ny zava-mitranga eo anivon’ny minisitera misahana ny asam-panjakana sy ny ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka izy ireo. Tsy manaiky ny tsindry politika atao aminy manokana sy amin’ireo mpiasam-panjakana amin’ny ankampobeny, izay miasa any amin’ireo andrim-panjakana sy minisitera samihafa na any amin’ireo sampandraharaha foibe na eny anivon’ny lafin-tany. Tsy mankasitraka ny tsy finiavan’ny mpanapa-kevitra ara-politika handresy ny gaboraraka, ny kolikoly ary ny tsy finiavana hanatsara ny tontolon’ny asam-panjakana. Manohitra tanteraka ny fanohizana ny fanendrena sy ny famindran-toerana noho ny antony ara-politika. Manohitra ny fizirizirian’ny governemanta handray “Administrateurs civils” miisa 35 eny amin’ny sekoly ambony ENAM, izay tsy mifanaraka akory amin’ny filan’ny asam-panjakana satria mbola maro ireo am-perinasa no tsy manana andraikitra. Noho izany, mitaky ny hanajan’ny fitondrana sy ireo tompon’andraikitra ara-politika rehetra ny “tsy fitanilana” eo amin’ny asam-panjakana ny SYNAD. Eo ihany koa ny fampitsaharan’ireo mpanapa-kevitra ara-politika ny fanomezana baiko tsy ara-dalàna sy mety hiteraka korontana amin’ireo solontenam-panjakana isan’ambaratongany (Prefen’ny polisy, Prefe, Lehiben’ny distrika). Mitaky ny handraisana fepetra amin’ny tokony hanganana ny rafitra “Haut Conseil de l’Adminisitration publique”, handrindra ny antokon-draharahan’ny Adminisitrateurs civils ary hiantoka ny tsy fitanilana. Manoloana ny fitarazohan’ny olana ara-politika dia manao antso avo amin’ny ankolafin-kery sy ny hery velona rehetra mba hitady vahaolana politika maika, mitsinjo ny tombontsoa ambonin’ny firenena. Miantso ny administratera sivily izay mandray anjara amin’ny fikarakarana ny fifidianana mba hijoro handray andraikitra ary hanao izay hisian’ny fifidianana malalaka sy marina ary mangarahara.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT