Nitafa tamin’ny mpanao gazety ireo mpiasa voaroaka tao amin’ny orinasa Cotona Antsirabe ny faran’ny herinandro lasa teo, nitaraina fa efa 12 taona izao no nandroahana azy ireo tao amin’ity orianasa ity kanefa dia tsy mbola nisitraka ny onitra tokony ho azony tamin’izany hatrany izy ireo.
Raha tsiahivina, noho ny krizy nolalovan’ny firenena ny taona 2001 -2002 dia voatery nampihena ny isan’ny mpiasa tao aminy ity orinasa ity ka nahatratra 293 no noroahina ny 28 martsa 2002. Nitory ireto mpiasa ireto tamin’izany satria noraisin’izy ireo ho tsy ara-drariny ny fandroahana ka nahazo rariny teo anivon’ny Fitsarana izy ireo ary nahazo onitra tamin’izany fa nolazain’izy ireo kosa fa tsy araka ny tokony ho izy ny sandany ka nampiakatra Fitsarana ambony izy ireo ary mbola nandresy ihany. Nangataka “delai de Grace” na fe-potoana ny orinasa handoavana ilay vola fanampiny saingy hatramin’izao dia very an-javony izany raha ny nambaran’ireto mpiasa voaroaka ireto. Nisy anefa tetsy an-danin’izay ireo mpiasa nijoro ho vavolombelona ka nilaza fa ara-dalàna sy ara-drariny ny nandroahana azy ireo ka dia naverina notsaraina indray ilay raharaha ka hatramin’izao, efa 12 taona izao dia tsy hita ny valin’ny didim-pitsarana raha ny fanamafisana nataon-dRakotozafy Thomas. Tao anatin’izay fotoana izay dia nisy no efa nindaosin’ny fahafatesana, 40 tamin’ireo mpiasa 293, noho ny fahasahiranana sy ny sisa, ankoatra ny 11 hafa izay nomen’ny Cotona ny anjara volany tamin’ny fitakiana fa ny sasany dia mbola miandry fa Gasy e ! Na izany aza dia miantso ny fanjakana mba hijery akaiky ity raharaha ity ireto mpiasa mbola be fanantenana ireto.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.