Actualités

Mpiasa nivadika ho jiolahy Maty voatsindron’antsy ilay “Patron”


  • Alarobia 04 Jona 2014

“Mba hitady asa ato aminareo izahay ‘patron’ fa tena tsy misy vola mihintsy”.

 Izay no tenin’ireto lehilahy roa mpanao “soudure”, tonga tao amin’ireto mpivady teratany sinoa manana zom-pirenena Malagasy monina amin’ny “Cité des Douanes” ampitan’ny hopitaly kely Toamasina omaly tokony tamin’ny iray ora sy fahefany. Efa niasa tao amin’izy mivady ireo izy roalahy ireto, ka tsy nisalasala nampandroso azy ireo tao an-tranony izy mpivady. Vao tsy nisy anefa ilay asa notadiavina, tsy hay ihany koa na efa nomanin’izy mirahalahy ny tetika rehetra noho fahafantaran’izy ireo fa manam-bola ireto sinoa ireto, fotoana fandraisan’izy mivady volan’ny hofan-tranony miisa 15 ao Toamasina koa ny omaly, fa vao tafiditra ny trano izy ireo dia nivadika ho fandrahonana hamoaka ny vola no nataon’izy roalahy ilay rangahy 75 taona tratrany mialoha. Raha tsy namoaka ny vola notadiavin’izy ireo ilay rangahy be, dia notsondron’izy ireo ny antsy maromaro ny vatany ka maty tsy tra-drano. Raha avy nanototra ilay rangahy be tamin’ny fanitso tamina efitra mitokana somary maizimaizina sy nanototra fasika ny ra be very izy roalahy, dia ilay mpiasa vavy nanadio trano indray no nokendain’izy ireo saingy nahavita niantso vonjy ity farany. Naheno izany ilay ramatoa tompontrano dia nanantona ka saika niharan’ny tsindron’antsy ihany koa saingy afa-nitsoaka ihany. Nalady vory ny olona tety ivelany ka teo no tafaporitsaka izy roalahy.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT