Actualités

Mpiasa Malagasy avy any Liban 160 tapitrisa Ar. ny saran’ny fampodiana


  • Alarobia 09 Febroary 2011


Tapaka tamin’ny filankevitry ny ministra fa horaisin’ny fitondrana an-tanana ny fampodiana ireo tovovavy miasa any Liban nanana olana ara-pitsarana tany sy ireo te hody an-tanindrazana. Hisy fiaramanidina halefa any an-toerana haka ireto teratany Malagasy ireto. Araka ny fantatra dia mitentina 160 tapitrisa ariary ny saran’ny fampodiana azy ireo. Olona 110 no antonona ao amin’ilay fiaramanidina izay halefa any an-toerana.

Efa ela tokoa moa no nisy fampanantenana natao tamin’ireo ray aman-dreny manan-janaka miasa any, fa hampodiana ny zanak’izy ireo. Manodidina ny 13 kosa ireo tovovavy Malagasy maty ary tonga soa teto an-tanindrazana avokoa ny nofo mangatsiakan’izy ireo, rehefa nahitana ratra sy diam-bono teny amin’ny vatany. Fantatra fa maherin’ny 110 ireo maniry te hody avy any Liban, ary antenaina mba ho tonga an-tanindrazana avokoa izy rehetra ireo fa tsy hisy ho tavela any indray.

 
Rabe

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JIRAMA
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Handatsaka orana artifisialy

  • Voaheloka sy mbola
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

misy dosie goavana i Marie Michelle

  • FAHARETAN’NY
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

PASIPAORO HO 10 TAONA

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

Hijery ny tohiny
FTT