Actualités

Mpianatry ny Oniversite Mangataka ny hanondrotana 50% ny vatsimpianarana


  • Talata 18 Janoary 2011

Raha tsy mbola mivaha tanteraka akory ny olana eny anivon’ny oniversite dia efa mangataka fanondrotana vatsimpianarana sahady ny mpianatra.

Fisondrotana 50% mihatra amin’ny taom-pianarana vaovao no angatahan’izy ireo. «Nahazo ny anjarany ny mpiasam-panjakana koa rariny raha miandry izay anjaranay koa izahay. Iaraha-mahalala fa sahirana koa ny mpianatra ao anatin’izao krizy izao, indrindra fa ireo lavitra ray aman-dreny. Tsy tokony hiandry fitokonana foana vao hijery izany», hoy Ravelomanantsoa Berija, mpianatra ho mpitsabo anisan’ireo mitaky ny hanatsarana ny vatsimpianarana. Andiana mpianatra avy amin’ny fakiolte sy sekoly no tompon-kevitra sy miray feo amin’ity fitakiana ity.

Raha tsy miova hevitra indray ny FAT dia azo antoka manomboka izao ny fandoavana vatsimpianarana satria tafiditra tao anatin’ny fifanarahan’ny ministra Tongavelo Athanase sy ny Seces farany teo izany. Momba ny fianarana eny anivon’ny oniversiten’Antananarivo indray dia samihafa avokoa ny zava-misy isaky ny fakiolte. Misy ireo efa nahavita sy namoaka feno ny valim-panadinana toy ny ao amin’ny fianarana ho mpitsabo raha amin’ny zoma izao kosa no manomboka ny fanadinana ho an’ny fakiolten’ny siansa. Tsy mbola mivoaka kosa ny fandaharam-potoanan’ny fanadinana ho an’ny sampana teny aman-tsoratra ary ny mahaolona.

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JIRAMA
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Handatsaka orana artifisialy

  • Voaheloka sy mbola
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

misy dosie goavana i Marie Michelle

  • FAHARETAN’NY
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

PASIPAORO HO 10 TAONA

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

Hijery ny tohiny
FTT