Mahatsiaro ho kamboty tsy misy mpiahy ireo mpianatra malagasy mianatra any Chine, indrindra manoloana ny voina nahazo ny naman’izy ireo iray, Zaid Sylvain, mianatra ao amin’ny oniversite Wuhan, voadona teo amin’ny lohany nandritra ny lalao baolina kitra nifanaovan’ny samy mpianatra afrikanina tamin’ny 7 aprily 2014. Tsy nahatsiaro saina noho ny dona mafy nahazo azy i Zaid Sylvain nanomboka teo. Ny vaovao farany mikasika azy izao dia tsy mbola mifoha tanteraka izy.
Ambentin-tenin' ny filoha moa ny hoe tsy olan'olon-tokana no jereny fa ny an'ny vahoaka 20 tapitrisa, ka asa iza izany no hiantefan'ny tetikasany ?
Niala tanteraka anefa ny “assurance” efa roa herinandro izay ka ny mpianatra no mandray an-tanana azy amin’izao amin’ny alalan’ny tsipaipaika. Voatery nafindra efitra ilay marary satria ilay efitra nisy azy taloha tena lafo be dia tsy araka ny fahefan'ny mpianatra. Mifandimby miandry azy any amin’ny hopitaly ny mpianatra nefa efa akaiky ny fotoam-panadinana. Vao nahafantatra io voina io i Patrick Raharimanana (Vitatsika io) dia nampahalala izany tamin'ny filoha sy ny praiminisitra.
Ity farany aza dia nampanantena fa handray an-tanana ny raharaha, izy rahateo koa sady dokotera no minisitry ny fahasalamana. Lasa teny Nanisana mihitsy aza i Patrick Raharimanana ny harivan’ny 17 aprily 2014 nanatona ny ambasadaoron’i Chine, niaraka tamin'i Andriatiana Ulrich fony ity farany minisitry ny raharahambahiny mpisolo toerana sy Horace Gatien mbola Sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny fampianarana ambony sy fikarohana ara-tsiansa. Voaresaka tao ny hoe hanohizana ny fitsaboana aloha mandra-pahita vahaolana ny handoavan'ny fanjakana malagasy ny volan'ny hopitaly. Ambentin-tenin' ny filohan’ny Repoblika Hery Rajaonarimampianina moa ny hoe tsy olan'olon-tokana no jereny fa ny an'ny vahoaka 20 tapitrisa, ka asa iza izany no hiantefan'ny tetikasany ?
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.