Actualités

Mpianatra Malagasy any ivelany Miantso vonjy amin’ny minisitry ny mponina


  • Talata 05 Martsa 2013

Mafy tokoa ny manjo ireo mpianatra Malagasy mandranto fianarana any ivelany. Am-bolana maro ary efa an-taonany aza ny sasany no tsy nandray vatsim-pianarana nefa roa volana ihany no nomen’ny fanjakana.

 Azo antoka fa tsy hahavita inona firy akory io vola io manoloana ny trosa tsy maintsy aloa sy ny saram-pianarana. Nandefa taratasy ho an’ny Minisitry ny Mponina mangataka azy amin’ny maha Reny azy ny fikambanan’ireo mpianatra Malagasy mandranto fahaizana any ivelany ka nohamafisiny amin’izany “fa tsy mandeha intsony ny fianarana, ny sakafo tsizarizary, mosary izahay ary ny adin-tsaina mitady mitambesatra tsy zakan’ny aina intsony. Ny trosan’ny Oniversite mangeja ary mitambesatra andro aman’alina. Menatra tanteraka eo imason’ny namanay mpiara-mianatra vahiny hafa izahay”. Misy moa ny fanapahan-kevitry ny fanjakana hampody ireo mamerin-taona “redoublants” sy “triplants” ka mianto-tena izay ao anatin’io sokajy io nefa misisika hijanona ihany.

Nambara fa tsy zakan’ny fanjakana ny fiantohana azy rehetra satria raha tokony ho 250 ny isan’ny mpianatra mahazo vatsim-pianarana dia tafakatra 800 izy ireo. Lavin’ny ray aman-dreny ankitsirano anefa izany satria milaza izy ireo fa matoa lasa any lavitra any ny zanany dia ny fanjakana no nandefa azy ary nisy ny vaomiera nandinika ny dosie tsirairay. Mandra-piandry izay fanatanterahan’ny fanjakana ity fanapahan-kevitra ity na koa hahitan’ny minisitry ny mponina Ramaroson Vaomalala Olga vahaolana hafa, raha manana ny fahefana amin’izany sy ny fahavononana koa izy dia miaina ao anaty tsy fisiana ireo tanora Malagasy ireo.

Yves

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT