Mpianatra Malagasy miisa dimy avy nanohy fianarana tany Indonezia no mihitsoka ao amin’ny seranam-piaramanidin’i Jakarta renivohitr’I Indonezia hatramin’ny alahady teo.
Tsy avelan’ireo tompon’andraikitra ao an-toerana mihetsika izy ireo, raha araka vaovao azo satria efa tsy manan-kery intsony, hono ny tapakilan’izy ireo. Ny sabotsy teo anefa izy ireo no efa tokony ho niverina an-tanindrazana. Eo an-danin’izay, tapitra omaly alatsinainy 20 aogositra koa ny VISA an’ireto mpianatra Malagasy ireto ka tsy afa-mijanona any an-toerana intsony izy. Tsiahivina fa ny fanjakana Malagasy no nandefa ireto mpianatra ireto tany Indonezia tamin’ny alalan’ny vatsim-pianarana azony. Ankehitriny anefa misedra olana tanteraka izy ireo saingy tsy misy mpijery hatramin’ny omaly hariva fotoana nanoratanay. Vao mainka mihamafy aza ny olana mahazo azy ireo satria navoakan’ny tompon’andraikitra ao amin’ny seranam-piaramanidin’i Jakarta ihany koa izy dimy ka any amin’ireo namany mihantra azy ao Bogor no mialokaloka amin’izao. Vao andro maromaro lasa anefa izay no nankalaza ny faha-73 taona niarahany niasa tamin’ny firenena Malagasy ny firenena Indoneziana. Anisan’ny nodradradraina tamin’izany ny fanatevenana sy ny fanatsarana hatrany ny fiaraha-miasan’ny firenena roa tonta ka anisan’ireny ny fifanakalozana mpianatra mahay tahaka izao saingy indrisy. Antso avo no hatao amin’ireo tompon’andraikitra mba hijery akaiky ireto mpianatra Malagasy mihitsoka any Jakarta ireto.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.