Mahalasa saina ! Velon-taraina ireo mpanomana fifidianana ao Vakinankaratra noho ny tsy mbola nandraisan’izy ireo ny tambin-karama hatramin’izay raha ny fanazavana nomeny ny mpanao gazety.
Tsy nambara mazava aloha hatreto ny vola tsy azo fa raha ny fanazavana dia nandritra ny fihodinana voalohany ihany no mba nandray vola izy ireo, dia ny “Agents électoraux” sy ny CED izany. Nandritra ny fihodinana faharoa dia tsy nisy na Ariary aza noraisin’izy ireo kanefa dia mbola niasa avokoa izy rehetra. Toy izany koa ny sefo Fokontany izay nampanantenaina tambin-karama nandritra ny fifidianana in-droa miantoana fa tsy nahazo koa na Ariary aza. Misy, raha ny fanazavana, ny taratasy tonga ao amin’ny Biraon’ny CED milaza fa efa azo alaina ao amin’ny Tahirimbolam-panjakana (Trésor) ny vola saingy rehefa tonga any izy ireo dia milaza hatrany ny ao amin’ny Trésor fa tsy misy io vola io ao amin’izy ireo. Nambaran’ireto olona nitaraina ireto fa mba nanontany ny tao amin’ny Distrika izy ireo dia nahazo valinteny hoe: “Rehefa tsy azo dia ataovy toy ny asa soa amin’ny fanjakana e !”. Manahay, araka izany, izy ireo fa ho very an-javony ity vola ity na efa nisy nanodina ka efa mandrangaranga sahady izy ireo fa hifankahita amin’ny fanomanana ny fifidianana izay ho Ben’ny tanàna.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.