Actualités

Mpanolontsain’ny tanŕna Hivory handinika teti-bola 2011


  • Talata 04 Janoary 2011


Manomboka anio 04 janoary ary haharitra folo andro ny fivorian’ny mpanolontsain’ny tanàna eto Antananarivo renivohitra. Fivoriana ara-potoana izy io, handinihana indrindra ny teti-bolan’ny Koaminina ny taona 2011. Mandritra izany no hijerena ny fifandanjan’ny vola miditra sy mivoaka, ny amin’ireo loharanom-bolan’ny Kaominina sy ny vinavina fampidiram-bola hafa. Ny amin’ireo fampiasam-bola, ho amin’ny fotodrafitrasa indrindra indrindra, sy ny fampandehanan-draharaha. Araka ny fantatra dia mbola ho eny Tsimbazaza no hivory ireto mpanolontsaina ireto, raha tokony ho ao amin’ilay Lapan’ny tanàna vao avy nohavaozina etsy afovoan’Analakely.

Resaka fitaovana mbola tsy vonona no anton’io. Mety horesahina mandritra ity fivoriana ity ny fanavaozana ny birao mpitantana. Tsiahivina ihany fa raha 55 teo ampiandohana, desambra 2007, dia 53 sisa ny mpanolontsain’ny tanànan’Antananarivo. Niala ary mbola tsy voasolo ny toeran’i Raharinavalona Mamy Mamonjy (Tiako I Madagasikara na TIM) sy Ranaivo Serge (Tanora MalaGasy Vonona na TGV) voatendry ho ministry ny serasera fialamboly. Hatramin’ny 2008 no mankaty dia telo izao no filoha nifandimby nitantana ny filankevitry ny tanàna, izay avy amin’ny TGV avokoa, dia Ramarofidy Jeannel, Ranaivo Serge ary Ranaivoarimanga Sahoby. 

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT