Nisy ny fihemoran’ny fanaovana ny fanisana fahatelo eto Madagasikara (RGPH3). Tsiahivina fa tokony ho tamin’ny 10 jona teo no tapitra ity fanisana ity saingy noho ny tsy fandriampahalemana, indrindra ny any amin’ny faritra Atsimo tahaka ny any Menabe dia misy ny fiandrasana ny mpanisa nalefa any.
Nahitana fahasarotana ny tany amin’iny faritra iny noho ny asan-dahalo izay mbola manjaka hatrany ary nisy aza moa mpanamarina fanisana voatafika tany izay niditra hopitaly mihitsy. Eo ihany koa ireo fanisana hafa izay taty aoriana kokoa vao nanomboka noho ny fahataran’ny fandraisana ireo karaman’ny mpanadihady. Marihina kosa anefa fa efa 90%-n’ny fanisana teto Antananarivo no efa vita na dia nisy aza ireny olana tamin’ny fanahian’ny olona ny amin’ny fanontaniana napetraka taminy ireny. Ho an’ireo ankizy efa nahavita fanisana aza moa dia nisy ny nalefa hanampy ireo tsy mbola nanefa ny azy araka ny tatitry ny tompon’andraikitra eo anivon’ny INSTAT. Efa manomboka ihany koa ny fandraisana ireo mpiasa hanomana sy hampiditra ary hanao ny fanamarinana rehetra momba ity fanisana fahatelo ny mponina sy ny toeram-ponenana eto Madagasikara ity.
Tsiry sy Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.