Mbola vao ny ampahatelon’ireo tokony handoa hetra eto amintsika hatreto no fantatry ny foibem-pitantanana momba ny hetra. Tsy afaka ny hitady sy hikaroka ireo 2/3 ambiny ny tompon’andraikitra.
Izay no antony nanapahan’izy ireo hevitra ny amin’ny hampiasana rindrambaiko (logiciel) vaovao. Fitaovana efa nahazoam-bokatra tany amin’ny firenen-kafa aty Afrika izy io ary ezahina hampiasaina eto amintsika. Nampahafantarina tamim-pomba ofisialy omaly ny fampiasana azy, narahin’ny fanofanana ireo tompon’andraikitra voakasika. Tanjona ny hahafahana manatsara ny fampidiran-ketra eto amintsika manomboka any amin’ireo olona tokony handoa ka hatrany amin’ny hetra miditra. Mikasika ny fitorian’ny sendikan’ny mpiasa eo anivon’ny sampandraharahan’ny fandoavan-ketra azy ireo momba ny fametrahana ilay orinasa AMETIS izay mitsabaka amin’ny asan’izy ireo dia nambaran’ny tompon’andraikitra omaly fa didim-panjakana tsy maintsy notanterahina ireny ary efa mandeha eny anivon’ny fitsarana ny raharaha.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.