Mihamitombo isa hatrany ireo olona misehatra amin’ny fandefasana sy fandraisana vola amin’ny alalan’ny finday amin’izao eto amintsika.
Tsy mandeha irery anefa izy ireny fa matetika miaraka amin’ny antso an-telefaonina hatrany mba hifameno. Raha ny fanazavana renim-pianakaviana iray mpitantana “cash point” eto an-drenivohitra dia tsy hahazoana tombony firy izy ireny. Mifampisasaka amin’ireo mpandraharaha telo hatrany ny ankamaroan’ireo mpanao “cash point” amin’ny vola azony fa ireo mpandraharaha no tena mahazo tombony. Ilay olona mandefa sy maka vola amin’ny sary kely nefa maromaro no tena hahazoana raha oharina amin’ireo olona maka na mandefa volabe ana hetsiny. Mikasika ny fiarovantenan’ireo mpanao cash point indray dia fantatra fa samy manana ny paikadiny izy ireo. Misy ireo maka vola tsikelikely any amin’ireo namany akaiky na any an-tokantranony raha alefa moramora mody ihany koa ny vola maty tao anatin’ny indray andro alohan’ny amin’ny 4 ora sy sasany hariva.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.