Actualités

Mpanara-maso ny fitantanana ny raharaham-panjakana Andiany “Ombalahy Bemaso” navoaka tetsy amin’ny ENAM omaly


  • Sabotsy 26 Aprily 2014

Niampy 45 mianadahy indray ireo mpanara-maso ny fitantanana ny raharaham-panjakana, satria dia navoaka ofisialy omaly rehefa avy nanaraka fiofanana nandritra ny roa taona ny andiany faha-4 nisalotra ny anarana “Ombalahy Bemaso”.

 Mpiasam-panjakana efa am-perinasa avokoa ireto nanaraka fiofanana ireto. Raha atao bango tokana dia ny fanadiovana ireo fahalovana rehetra misy eo anivon’ny asam-panjakana no tena votoatin’ny fiofanana narahan’ireto mpiasam-panjakana ambony ireto. Tafiditra indrindra amin’ny tetikasa fanavaozana ny fitantanan-draharaham-panjakana eto amintsika ity fiofananana ity. Nanambara Atoa Rabibison Anselme tompon’andraikitra eo anivon’ny minisiteran’ny fanatanjahantena ary iray amin’ireo mpiofana nivoaka omaly tao amin’ity andiany “Ombalahy Bemaso” ity fa hanovana ny toe-tsaina sy fomba fiasa eo anivon’ny minisitera misy azy ny fampiharana ny norantovina nandritra izay roa taona izay teny amin’ny ENAM, satria tsy hianona amin’ny fampandehanan-draharaha ankapobeny fotsiny intsony no kendrena fa tsy maintsy katsahina manomboka izao ny fitantanana tena mandaitra, mitsinjo lavitra hisian’ny fampandrosoana marina. Samy efa nilokaloka sy nanao fianianana izahay 45 mianadahy ireo, hoy izy, fa ho anjara biriky hoentinay eny anivon’ny sampandraharaham-panjakana misy anay avy ny fitantanana mangarahara tsy hisy hosokosoka intsony.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT