Tsy mety fay ! Izay no azo hamintinana azy. Efa niaraha-nahita ny nahazo ny solombavambahoaka iray sy ny nahazo ny lehiben’ny faritra iray saingy dia mbola izao tsy malina izao hatrany koa ny sasany amin’ireo mpanakanto.
Mpihira Malagasy malaza iray indray no azo sarimihetsika miray amin’ny olon-tiany mipariaka any amin’ny tambajotran-tserasera any amin’izao fotoana. Raha ny vaovao azo avy eo anivon’ity mpanakanto ity dia efa fombany io mandrakitra an-tsary ny fifankatiavany amin’ny olon-tiany io. Tsy nampoiziny anefa ny zava-nitranga satria dia very tampoka ny solosaina nandraketana azy ary sendra tafatontona teny am-pelatanan’olona sompatra ka naparitany. Tsy mbola fantatra moa izay fepetra horaisin’ity mpanakanto ity manoloana ny zava-misy. Mila malina ny rehetra fa tsy kely lalana ny ratsy.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.