Actualités

Mpampianatra mpikaroka Tsy mbola hiasa raha tsy mivoaka ny tambinkaramany


  • Alarobia 12 Janoary 2011

An-dalam-pivahana ny olan’ny oniversite. Nahita marimaritra iraisana ny fitondram-panjakana sy ny Seces nandritra ny fifampidinihana in-droa miantaona ny sabotsy sy alatsinainy lasa teo.

Hiverina hiasa ny mpampianatra mpikaroka raha vao voaray ny tambinkarama momba ny fikarohana izay tsy fantatra marina ny maribola nifanarahan’ny roa tonta. Raha ny fanazavan-dRasoamiaramanana Armand, filohan’ny Direction Collégiale Seces dia tsy ilay 800.000 ariary araka izay voarakitra tamin’ireo didim-panjakana telo no azo fa latsak’izany. Notazoniny ho tsiambaratelo kosa anefa ny tarehimarika. Fa ankoatra io tambinkarama io dia handray tambinkarama iray hafa antsoina hoe : “indemnité de risque” koa ny mpampianatra mpikaroka. Mandeha miandalana anefa ny fahazoana ity farany.

Efa nankatoavin’ny filankevitry ny governemanta omaly avokoa ireo fifanekena rehetra ireo ka hevitry ny filankevitry ny ministra izay tokony hotanterahana amin’ity anio ity sisa andrasana dia hivalona hatreo ity resaka ity. Fa fepetra fahatelo notakian’ny Seces tamin’ny ministry ny fampianarana ambony sy ny ekipany nandritra ny fifampidinihana koa ny fahazoana antoka ny fandoavana ara-potoana ny vatsimpianaran’ny mpianatra sy ny karaman’ny mpandraharaha ary ny fisian’ny vola fampihodinana ny oniversite enina. Havadika didim-pitondrana avokoa izay fifanarahana tinapaka rehetra ary hajoro ny komity teknika hanara-maso ny fampiharana azy izay hisy ny solontena avy amin’ny andaniny sy ny ankilany. Azo antenaina izany fa tsy hisy ny taona fotsy eny amin’ny anjerimanontolo amin’ity taom-pianarana ity. Hamoaka avy hatrany ny fandaharam-potoan’ny famitana ny fanadinana fifindran-kilasy sy ny fandraisana mpianatra vaovao ny mpampianatra. 

Sary : Ny filohan’ny Direction Collégiale SECES otronin’ireo filoha lefitra avy any amin’ny faritany
 
Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

  • Fanelezana vaovao
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

tsy marina, heloka an’habaka

  • Livasoa Randriatahinamalala
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

"Depiote miteny aho fa tsy depiote mihinana"

  • FAHALALAN'NY ASA
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

FANAOVAN-GAZETY

  • ZAVA-PISOTRO
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

MAMPATANJAKA VAOVAO

Hijery ny tohiny
FTT