Nanatanteraka hetsika tetsy amin’ny ofisin’ny haino aman-jerim-panjakana (ORTM) tetsy Anosy ny mpampianatra mpitokona omaly. Nisy ny lainga sy famitahana nataon’ny TVM araka ny nambaran’izy ireo.
Raha tsiahivina, nisy fandaharana natao ny alarobia lasa teo niadiana hevitra ny amin’ny fitakiana natao. Gaga anefa ireto mpampianatra fa tsy navoaka izany hatramin’izao ary lany andro tao fotsiny izy ireo. Rehefa izay dia nanao fihetsiketsehana teo ivelany izy ireo ary nangataka fanazavana tamin’ny tompon’andraikitra tao. Noraisin’ny tao amin’ny TVM ihany ireto farany rehefa nandeha ny kiririoka sy megaphone ary tafiditra tany ny solontenan’izy ireo. Araka izany dia andrasana indray ny fanazavana entin’ny tompon’andraikitra ao amin’ny fahitalavi-panjakana ny amin’ny antony tsy nandefasana ny fandaharana araka ny tatitry Rtoa Lovaniaina, filoha lefitry ny sendikan’ny mpampianatra mpiasam-panjakana ( SEFIMA)
Tsiry
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.