Nirohotra teo anoloan’ny biraon’ny DREN Atsinanana ireo mpampianatra FRAM avy ao Toamasina I sy Toamasina II, noho ny tambin-karaman’izy ireo efa-bolana, ny volana septambra, oktobra, novambra ary desambra 2010, tsy mbola voarainy hatramin’izao.
Voalazan’izy ireo fa isaky ny roa volana no fandraisana izany hatramin’izay, mitentina 100.000 ariary isam-bolana, nefa efa tapitra ihany ny telo volana voalohany ny fampianarana, tsy mbola misy ihany ny vola tonga hatramin’izao.
Tsy nisy niraharaha ireto mpampianatra FRAM ireto na nanao fitokonana teo anoloan’ny DREN aza. Tapa-kevitra noho izany izy ireo, fa tsy hiatrika ny fanofanana karakarain’ny fanjakana entina hanatsarana ny fampianarana, izay nanomboka omaly 05 janoary, raha tsy mivoaka ny vola tambin-karamany. Hentitra ireto mpampianatra FRAM ireto nilaza, fa «tsy hisy hahavita hampianatra izany eo ny 11 janoary fidiran’ny telo volana manaraka, raha tsy mivoaka ny vola. Tsy afaka hampianatra ny mpampianatra noana». Nanamafy koa izy ireo fa «be resaka loatra ny fanjakana, nefa ny fanatanterahana azy tsy misy. Narirarira izahay raha nitaky am-pilaminana hatramin’izay, ka ho hita eo izany amin’izao fidirana manaraka izao». Raha tombanana, araka ny fanazavana nomen’ireto mpampianatra FRAM ireto ihany, dia «tsy mihoatra ny 02% ny mpampianatra FRAM ihany no mandray tambin-karama izay aloan’ny ray aman-drenin’ny mpianatra. Tsy afaka ny hanery azy ireny intsony izahay amin’ny fandoavana ny anjarany, izy ireo aza mba sempotry ny tsy fananana ihany koa, fa ny Fanjakana anananay vola voafaritry ny lalàna no tokony handoa ny anjarany».
Maniry ny mba hahalasa mpampianatra raikitra azy ireo koa izy ireo, hialana amin’izao familafilana ny fandoavana ny tambin-karama izao. Nilaza ny hitokona eo anoloan’ny Cisco I sy Cisco II koa izy ireo manomboka ny alatsinainy izao raha mbola tsy mivaha ny olana. Hatramin’ny zoma aloha dia eo anoloan’ny DREN Atsinanana no hanaovan’izy ireo ny fitokonana fitakiana atao amin’ny volany tsy nefain’ny FAT.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.