Mitaraina mafy ary ranomaso tsy latsaka sisa ny an’ireo mpampianatra FRAM amin’izao fotoana izao. Mandrak’ity ny anio mantsy, indrisy fa dia tsy hita nanjavonana ilay tambin-karama izay nampanantenain’ingahy Ministry ny fanabeazam-pirenena tamin’ny haino aman-jery fa havoaka mialoha ny fety.
Tambin-karama efa-bolana : septambra, oktobra, novambra ary ity desambra ity no tsy mbola azo ka mahatonga ireto mpampianatra FRAM ireto miady mafy toy izao, satria mahatsiaro ho ankilabao sy atao tsinontsinona. Ambetin-tenin-dry zareo tompon’andraikitra ao amin’ny Ministera mpiahy fa hoe ny ray aman-drenin’ny mpianatra no mpampiasa ny mpampianatra FRAM, nefa nisy ny fifanarahana arak’asa izay nampanaovin’ny ministera azy ireo, izay nanekeny ny handoavana ny tambin-karaman’izy ireo. Raha izao toe-javatra izao no zohiana dia hita fa ho simba ny hoavin’ny fampianarana Malagasy satria ny fototra mihitsy no efa mihozongozona. Ny 80%-n’ny mpampianatra eny anivon’ny sekolim-panjakana rahateo dia mpampianatra FRAM avokoa. Koa manantena izy ireo fa hitadiavana vahaolana amin’izay, farafahatarany ny faran’ity taona 2010 ity. Raha toa anefa ka tsy hisy mihitsy ny vahaolana dia miangavy ireto mpampianatra FRAM ireto tsy horahonana lava izao satria "ny hatsembohan’ny tavanao no hihinananao hanina". “Ny dinitray dia efa mila ho ritra, ny vavanay tsy mihinana, ny zanakay tsy mba toy ireo zana-bahoaka mba nifaly nandritra ny fetin’ny Noely ka malahelo izahay”, hoy izy ireo omaly.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.