Actualités

Mpamonjy voina Tsaralalàna Nahazo fitaovana tamin’ny ONG Manda Life


  • Talata 11 Septambra 2018

Boky maromaro hoentina hanovozana sy hanatevenana ny fahalalan’ireo mpamonjy voina sy fitaovana maromaro, ahitana fanafody sy fitaovana ilaina amin’ny famonjena voina,

 

 

hanalefahana ny fanaintainan’ireo tratry ny loza amin’ny “ambulance”, no natolotry ny mpiara-miombon’antoka amin’ny mpamonjy voina etsy Tsaralalana dia ny ONG Manda Life, omaly. Raha ny nambaran’ny lehiben’ny mpamonjy voina ny Commandant Ramanoara Francky dia santatra ihany izao fiaraha-miasan’ny ONG Manda Life sy ny mpamonjy voinan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra izao, fa mbola hitohy ny fanomezana fitaovana toy izao, hoy izy araka ny nambaran’ny ONG Manda Life . Miezaka izahay, hoy ity tompon’andraikitra voalohany ao amin’ny sampana mpamonjy voina eto Antananarivo Renivohitra ity ny commandant Ramanoara Francky mitady hatrany ireo mpiara-miombon’antoka mba hahafahanay miasa satria sarotra ny asan’ny mpamonjy voina, indrindra miha-maro ny loza eto amin’ny tanàna, ao anatin’izany no ahafahanay mampitombo ny traikefanay, hoy izy.

Nangonin’i Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT